Manome fahazavan-tsaina sy fahendrena ny Fanahy Masina. Feno fahalalana ny sitrapon\'Atra isika. Hetaheta isan\'andro izany araka ny Kolosiana 1 :9b.
« Ny fahamarinana manandratra ny firenena ».
Ohabolana 14:34
« Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany ».
Matio 6:3
« Mananatra anao voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toepanahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra ».
1 Timoty 2:1-3

Tonga soa miaraka aminay ianao mpianatry Jesoa Kristy, mpanara-dia azy, tia azy, matoky azy, mankato azy ka mandray azy am-pahalalahana ho MPAMONJY sy MPANJAKA ny fiainanao manontolo isan’andro sy mandrakizay.
Tsara ny Tompontsika ary manana planina tsara ho antsika rehetra izy, ho an’ny isam-batan’olona, isam-pianakaviana, isaky ny fikambanana, orin’asa, isaky ny faritra sy firenena, ho an’izao tontolo izao.
Jesoa no nampianatra antsika hivavaka « Rainay izay any an-danitra ô. Hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra ».
Matio 6:9-10
Ndao hiray saina aminy, hiray fo aminy, hiray fanahy aminy ha hanandratra vavaka mitondra fanatsarana ao amin’ny fianantsika sy ny firenentsika isan’andro.
FANOLORANA
Firenena voafidin'Andriamanitra i Madagasikara ka tiany hiankin-doha Aminy.
Hidodika amin'Andriamanitra ny malagasy rehetra, ka handroso miaraka amin'izany ny toekarena rehetra
Mifampizara fahalalana, olana, antom-bavaka ary fahombiazana dia miaraka manandratra vavaka